Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fampiofanana mpanao gazety nokarakaran’i UJIRT
  sy fankalazana ny andron’ny andron’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra
  Notanterahana tao amin’ny Kaominina ambanivohitry ny Andasibe izay ao amin’ny Distrikan’i Moramanga ny fampiofanana ny mpanao gazety sy fankalazana ny andron’ny 3 Mai izay andron’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety «Liberté de Presse» sy ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra «Liberté d’expression». Marihina fa ireo mpanao gazety izay mivondrona ao anatin’ny UJIRT (Union Journalistes Inter-Regional de Toamasina) izay notarihan’ny Filohany dia Atoa Gilbert RAJOELISON no nanatontosa izany. Ka ny Asabotsy faha 2 Mai lasa teo ary dia natomboka tamin’ny fampiofanana izany, anisany navoitra tamin’izany ny ho fandraisan’andraikitr’ireo mpanao gazety izay ao anatin’ny UJIRT eo anatrehan’ny fifidianana Kaominaly na ny fifidianana ny ho ben’ny tanana izay hotanterahina eto amin’ny firenena. Noresahana tamin’izany ihany koa fa manana andraikitra lehibe ireo mpanao gazety eo amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana.
Nitohy ny alahady faha 3 Mai fampiofanana ka nifantoka tamin’ny fifandraisan’ny asa fanaovan-gazety sy ny mpanao sarimihetsika na Cinématographie indray izay notarihan’Atoa José ,izay efa manana traikefa eo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny momba izany. Voalazany tamin’izany fa toy ny rano sy ny vary ny asa fanaovan-gazety sy ny mpanao sarimihetsika, ka tsy tokony hifanary. Ohatra tamin’izany ny fanaovana ireny sarimihetsika ireny dia tsy maintsy mila «scénario» ka tsy misy afa-tsy ny mpanao gazety no mitantara sy manoratra izany.
Nitohy tamin’ny fankalazana ny andron’ny 3 Mai ny fampiofanana, ny tolak’andro, izay notronon’ny manam-pahefana isan-karazany dia ny lehiben’ny Distrikan’i Moramanga mivady, ny Filohalefitry ny Ben’ny Tananan’ny kaominina Ambanivohitr’i Andasibe ary ny Talen’ny EPP Andasibe, izay mpampiantrano rahateo. Tao ihany koa ny filohalefitry ny Holafitry ny mpanao gazety sy ny mpanolo-tsain’ny holafitry ny mpanao gazety aty Atsinana sy Analanjirofo dia Atoa Lucien RAZAFINIARIVO. Nisy ny famelabelarana sy ny fanazavana fohifohy izay nataon’Atoa STEEV, mpitan-tsoratra amin’ny UJIRT, mahakasika ny antony nahatonga ny fankalazana ny andron’ny 3 Mai «Journée Mondiale de la Liberté de Presse et de la Liberté d’expression». Ary nofaranana tamin’ny fiarahana fiala-hetaheta ny fotoana ary nanome fotoana ny filohan’ny UJIRT amin’ny manaraka indray.
 
(103) Cyril B. : 05-05-2015 - 10:30

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image