Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Nahazo Professeur 4 ny hospital ben’i Toamasina
  Niampy isan’ny mpitsabo mpanampy sy mpampivelona aty amin’ny faritra atsinanana
  Lanonana lehibe tetsy amin’ny hopitaly be teto Toamasina ny andron’ny zoma faha 8 may 2015. Natolotra ho an’ny vahoaka ny Toamasina ireo tanora 9 nahavita fianarana mahakasika ny fahasalamana hanamafy rafitra ny CSBII ny faritanin’ny Toamasina. Misy ireo voatendry hiasa any Anosibe anala, Moramanga, Sainte Marie, teo ihany koa no nanolorana ireo profesora mpandidy 4 hiasa eto Toamasina sy ampita fahalalana hoan’ireo mpianatra medicine ao amin’ny anjerimantolo Toamasina. Nisy ihany koa ny fijerena ifotony ny fotodrafitrasa nasiana fanatsarana tao amin’ny Hopitaly be Toamasina, ny trano fandidina.
Fisaorana no natolotr’ireo nifandimby nandray fitenenana ho an’ny fanjakana foibe tamin’ny nazaohana ireo mpitsambo ireo tsy adino ihany koa ny minisiteran’ ny fahasalamana izay angady sy vy nahitana ho entina hanasoavana ny Vaohaka Malagasy.

Tao anatiny kabarin’ny minisitrin’ny fahasalamam-bahoaka no nilazany ny politika fiaikina zato andron’ny goverinemanta ka tanterahiny minisitera ihany koa karakarao tsara ireo fotodrafitrasa ataovy izay hatamana ireo mpitsambo ary nanafatra ireo tanora 9 vao nahazo toerana hiasana ihany koa izy mba hanatanteraka ny asan’izy ireo.
Ny lanonana dia teo ambany fitariany ireo manampahefana teto Toamasina Prefect Toamasina, Lehiben’ny faritra Atsinanana, Lehiben’ny Alaotra mangoro Lehiben’ny faritra Analanjirofo, ny fianakaviam-ben’ ny fampianarana ambony sy ny avy ao amin’ny fahasalamana teto Toamasina.
 
(104) Marcelline : 09-05-2015 - 08:15

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image