Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Voix Talen’Est
  1/4 de Final
  Tontosa ny Asabotsy 17 desambra 2016 lasa teo ilay fifaninanan-kira Voix Talen’Est 1ere Edition izay karakarain’ny Onjam-peo Radio Voanio. Mpifaninana miisa 17 no tafiakatra tamin’ny ampahavalon-dalana ka niatrika ny ampahefa-dalana izay notanterahana tao amin’ny Restaurant Bar Sarky’s.
Nafana tokoa ny sehatra tamin’io fotoana io satria dia samy nahay avokoa izay naneho ny talentany,ary tena nanahirana ny mpitsara ihany koa no nitsara an’ireto hoavin’ny mozika vaovao eto amin’ny faritra Atsinanana ireto.
Araka ny maha lalao azy anefa dia tsy maintsy misy ny tafiakatra sy ny tsy tafiakatra,ka 13 no tafiakatra ho amin’ny dingana manasa-dalana raha efatra kosa no tsy tafiakatra tamin’izany. Telo mianadahy no nitsara tamin’ity fotoana ity nahitana an’i Atoa Rado Harilala, Nounous ary Elie Derosse.

Amin’ny asabotsy faha 24 desambra hoavy izao ny lalao manasa-dalana izay hanomboka 3 ora tolakandro, izay hivoizana ny loha-hevitra hoe “Faritra Atsinanana”, ka samy hanao hira avy eto amin’ny faritra Atsinanana avokoa ireo tanora mandray anjara amin’ity lalao ity.


Isaorany ny mpahonana :

 
(143) Lantomalala : 18-12-2016 - 09:10

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image