Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Noelin'ny ankizy
  Fizarana vatomamy sy kilalao ho famalifaliana ny ankizy
  Tontosa ny asabotsy, 20 desambra, tolakandro lasa, ny fety nandraisana ireo ankizy, mba ho famalifaliana azy ireo amin’izao ankatoka noely zao. Hetsy efa fanaon’ny Radio Voanio isan-taona izy io ary betsaka tamin’izany ireo ankizy sy Ray amandReny efa niandry azy io tamin’ity taona ity.

Betsaka ny ankizy tonga tamin’izany ankoatran’ireo izay nisoratra anarana mialoha taty amin’ny Radio Voanio. Niferana ho ankizy 40 no niraisina tamin’izany raha toa ka 30 no nivinavinaina tamin’ny fanomanana ny fety sy kilalao ho an’ny ankizy.
Ankizy avy amin’ny toerana maro samihafa, toa ny avy any Mangarano, Ambolomadinika, Depot, Tanambao, Valpinson, Morarano; ary sokajy kilasy samihafa, izay teo anelanelan-taona 4 ka hatramin’ny 8 taona izy ireo.

Hafaliana arak’izany ho an’ny Ray amandRenin’ireo ankizy satria hafapo tanteraka ny ankizy tamin’ny kilalao izay niarahana tamin’ny ekipan’ny Radio Voanio, ary tsy vitan’izany fa mbola samy nahazo kilalao izay nifanaraka tamin’ny sokajin-taonany avy.
 
(88) Lantomalala S. : 23-12-2014 - 12:30

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image