Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay. Tamin'ny kabarin'ny filoham-pirenena dia nohamafisiny ny fiverenan'ny mpianatra rehetra manerana ny nosy an-tsekoly.

Nisy araka izany ny fahazahoana fitaovana hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany, ka hisitraka izany avokoa ny sekoly rehetra eto Toamasina na ny miankina na ny tsy miankina amin'ny fanjakana. Nambaran'ny Sefo CISCO ny Toamasina voalohany Andriamatoa Marolahy Joseph fa ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina no mihena fa tokony ho fahazarantsika mandrakariva ny manaja ireo fihetsika sakana rehetra tokony ho atao.

Manoloana izany indrindra dia nandray andraikitra avy hatrany ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena niara-miombonantoka tamin'ny UNICEF ka nanolotra fitaovana mba hiarovana ireo mpianatra amin'ny fiparitahan'ny valan'aretina covid 19 DLM "Diaspositif de Lavage des Mains" fitaovana fanasana tanana 60 litatra miloko manga miaraka amin'ny savony hanasana tanana raha toa ka 20l teo aloha no nozaraina.

Hisitraka izany avokoa ny sekoly rehetra manerana ny tampon-tananan'ny Toamasina, ireo sekoly miankina amin'ny fanjakana miisa 34 sy ireo sekoly tsy miakina 187. Noho izany indrindra dia raha misy fidinana any ifotony izay ataon'ny tompon'andraikitra mikasika ny fampianarana dia tokony tsy hisy sekoly na dia iray aza tsy hanana ity DLM ity eo ampidirana amin'ny sekoly tsirairay, natao izao hetsika izao mba hiarovana ny zaza malagasy amin'ny fiparitahan'ny valan'aretina.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

  Masova 501
  Notokanana androany ny tranobe ny serasera sy ny kolontsaina teto Toamasina
  Notokanana androany 28 may 2021 ny tranobe ny serasera sy ny kolontsaina etsy amin'ny araben'ny fahaleovantena izay nampitondraina ny anarana hoe "Masova 501". Raha tsiahivina dia ny sabotsy 9 novambra 2019 no nametrahana ny vato fototra an'ity tranobe ity.
 
(220) S.Lantomalala : 28-05-2021 - 12:00...Lire la suite

 

Nom de l'image