Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po. Ho an'ireo toerana izay miomana ho an'ny fandraisana mpizahan-tany dia misy ihany koa ny hetsika manokana amin'ny fanaovana vaksiny toy ny any Nosy Be sy Sainte Marie. Antsoina ary ireo olona rehetra tsy ankanavaka mihoatra ny 55 taona mpisehatra eo amin'ny fizahantany amin'ireo toerana roa ireo mba hisoratra anarana avokoa izay mikasa sy maniry hanao izany vaksiny izany ary hisy toerana manokana antokana hanaovana izany.

Ho an'i faritra Atsinanana manokana dia mbola mitohy izany hetsika fanaovam-baksiny izany ka eny amin'ny "Dispensaire Urbaine" etsy amin'ny hopitaly kely ihany no manao azy amin'izao fotoana izao raha toa ka nizara telo teo aloha.

Araka ny fanazavana voaray sy fanentanana nataon'i Dr Norovoahangy misahana ny serasera eo anivon'ny talem-paritry ny fahasalamana dia afaka manao izany avokoa ny tsirairay avy manomboka izao.

Entanina ny tsirairay avy ao anatin'ny fikambanana na nohon'ny asa dia mifanerasera amin'ny olona maro dia afaka manantona, na tsy ao anatin'ireo sokajy taona ireo dia afaka manatona ka mitondra ny karapanondro. Ankoatran'izay ho antsika rehetra izay manana aretina mampisalasala dia hentanina foana ho tonga satria tombony ho antsika ny ahafahantsika misitraka io vaksiny io sy ny mahazo ny toromarika ara-pahasalamana ho anao manokana.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

  Masova 501
  Notokanana androany ny tranobe ny serasera sy ny kolontsaina teto Toamasina
  Notokanana androany 28 may 2021 ny tranobe ny serasera sy ny kolontsaina etsy amin'ny araben'ny fahaleovantena izay nampitondraina ny anarana hoe "Masova 501". Raha tsiahivina dia ny sabotsy 9 novambra 2019 no nametrahana ny vato fototra an'ity tranobe ity.
 
(220) S.Lantomalala : 28-05-2021 - 12:00...Lire la suite

 

Nom de l'image