Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  1956-2016: 60 taona nisian’ny CNaPS
  Hetsika ara-panatanjahantena no ho entina akalazana ny tsingerin-taona
  Mankalaza ny faha 60 taonany ny CNaps eto Madagasikara. Hisy ny hetsika manerana ny nosy ho fanamarihana ny faha 60 taona.Azakazana ara-pirahiana sy firaisankina na « Course pour la Fraternité et de Solidarité » anaty lahavirana 5 Km, toy ny azakazaka tsirairay sy "relais".
Ho an'ny Toamasina manokana dia, ny marainan'ny asobotsy 13 aogositra no anatanterahana izany.
Azon'ny rehetra atao ny mandray anjara amin'ny hetsika fankalazana sy ny azakazaka miaraka amin'ny fianakaviam-ben'ny CNaps, ka toy izao ny mahakasika sy sokajy amin'ny azakazaka:

- Tsy afaka mandray anjara ny mpiazakazaka mitianina,

- Olona 10 no mandrafitra ny tarika iray manao "relais": 7 lahy, 2 vavy maherin'ny 18 taona, 1 tanora lahy na vavy anelanelan'ny 16 sy 18 taona:

  - 800m: Lahy
  - 400m: Vavy
  - 600m: Lahy
  - 600m: Lahy
  - 600m: Lahy
  - 300m: Vavy
  - 500m: Lahy
  - 500m: Lahy
  - 500m: Lahy
  - 200m: Tanora
- Misy sokajy maromaro ny azakazaka tsirairay: anelanelalan-tao 18 sy 45 taona, ny mpisotro ronono manana 45 taona na mahery (lahy, vavy, kilemaina).
Hisy ny vanadresaka sy fampahafantarana ny fandraisana anjara rehetra ny alakamisy 4 aogositra, 4 ora tolokandro ao amin'ny efitrano malalaka ao lapan'ny tanana, aorian'io dia misokatra ny fisoratana anarana amin'ny sarany mora, 1000 ariary.
Ho tolorana amboara ny telo tonga voalohany amin'ny azakazaka isan-tsokajiny, sy mari-pahatsarovana ho an'ny mpadray anjara rehetra.
Hisy tranoheva mivarotra fitaovana sy kojakoja ara-panatanjahantena mandritry ny tontolo ny andro.
 
(124) Prud'Homme : 03-08-2016 - 17:09

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image