Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  DREN Atsinanana
  FAGNOFOKA 2016
  Notontosaina teto Toamasina, tetsy amin'ny kianja malalaka ny STADE Municipal, ny androny Alatsinainy faha 8 aogositra2016 ny lanonana aram-patanjahatena antsekoly teo anivony DREN Atsinanana.
Nahatonga solontena avokoa ireo CISCO fito mandrafitra ny DREN Atsinanana : Brickaville - Vatomandry - Mahanoro - Tanambao Manampontsy - Marolambo - Toamasna I sy Toamasina II. Notroniny ireo manam-pahefana maro teto Toamasina notarihan’ny lehiben'ny Faritra Atsinanana. Nisongadina nandritry ny fifandimbiasam-pitenenana, ny maha zava dehibe ny fatanjahan-tena eo anivony fanambiazana, mba hisiany fifaneraserana amin'ny samy mpianatra sy ireo mpanabe, ny fifanakalozana eo amin'ny ireo Disitirika samy hafa. Maharitra efatra andro izany fihaonana izany ary ahitana ny taranja foot ball - volley ball - basket ball ary ny athlétisme.
Izay mandrombaka ny amboara ny faritra no misolotena any amin'ny fihaonana nasionaly any Fort-Dauphin ny 20 ka hatramin'ny28 aogositra ho avy izao. Nanolotra vary 10 gony ny minisitra ny tontolo iainana ka ny solombavam-baohaka Atoa FAMINDRA Justin no nanolotra izany, omby iray kosa avy tamin'ny lehibeny faritra Atsinanana Atoa TALATA Michel.
Nisongadina ny fifaninanana ara-patatanjahantena antsekoly tamin’ny ity taona ity nohon’ny fahavitrihan’ny mpadray anjara sy fahamaroan’ny mpiara-miombonatoka amin’ny fanantanterahana ny fifaninanana. Ary mifarana amin’ity taona 2016 ity ny hetsika ara-panatanjahantena antsekoly toy ny mahazatra fa moivao endrika sy fanomanana hafa izany miantomboka amin’ny taona 2017 ka hisy ny lugue, ny section, ny federation any amin’ny minisitera ary misy ihany koa ny federation iraisam-pirenena, ka any Turquie ny anaovana ny lalao iraisam-pirenena. Efa mipetra io rafi-pitantanana io aty amin’ny faritra Atsinanana ka Atoa Theo Responsible sport scolaire amin’izao no filoha voafidy hitantana ny section eto Toamasina amin’ny taona ho avy.
Efa voalamila ny fikarakarana ho an’ny tompon-daka aty amin’ny faritra Atsinanana ho an’ny Fort-Dauphin, izay ho fantatra amin’ny famaranana ofisialy amin’ny alakamisy 11 aogositra ho avy zao.
 
(133) VAVIROA Marcelline : 09-08-2016 - 08:12

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image