Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  15eme anniversaire du cours d’appel Toamasina
  Fitsarana tsy mitanila miaro ny vahoaka sy ny fananany tsy manavakavaka
  Isan'ny sehatr'asam-panjakana mampitaraina ny vahoaka ny fitsarana, misy aza ny olona sasany manaonao foana ka dia manao fitsaram-bahoaka mihintsy.
Toa ny tetsy Dépot izay tratra nangalatra batterie mampandeha handrinjiro mandeha amin'ny herin'aratra midika izany fa efa tsy mahatoky ny fitsarana intsony ny olona noho ny fisian'ireo izay nahavita heloka hafaka fotoana fohy dia efa hita miriharia ary manao ny asa ratsiny sahady.
Isany fanambin'ny avy amin’ny fitsarana, amin'izao fankalazana faha-15 taona nijoroan'ny cours d’appel izao ny fametrahana fitsarana tsy mitanila miaro ny vahoaka sy ny fananany, tsy manavakavaka sy iankinan'ireo merefo; io no nambaran'ny Filoha voalohany teo amin'ny fitsarana ambony teto Toamasina tamin'ny lahateniny.
Ny fitsarana ambony Toamasina dia misahana ny faritan’ny Toamasina teo aloha izay ahitana faritra telo: Atsinanana, Alaotra Mangoro, ary ny Analajorofo. Misahana ihany koa ny fitsarana ambaratonga voalohany dimy: Toamasina, Vatomandry, Moramanga, Ambatondrazaka, Maroantsetra. Araka izany rehefa misy ny raharaha teo amin'ny fitsarana ambony dia alefa any Antananarivo avokoa talohan'ny taona 2001. Nony fahatsapan'ny fitondrana tamin'izany fotoana izany dia nanapakevitra ny hametraka ny fitsarana ambaratonga voalohany teto Toamasina ny taona 2001. Feno 15 taona tamin'ity taona 2016 ity izany Fitsarana ambony eto Toamasina izany. Isan'ny tarigetra ny fitsarana ny fanatonana ny hahoaka hatrany. Isany ireo fitsarana ambony 5 ao anatin'ny faritany 6 ity fitsarana eto Toamasina ity.
Araka izany hetsika maro samy hafa, ny 18 sy 19 aogositra, no noentin'izy ireo nankalaza izany faha15 taona izany teo ny hetsika fampirantiana sy ny ady hevitra izay tarihan'ireo mpiasan'ny fitsarana teto Toamasina ary alim-pandihizana izay niharahana tamin'ny mpanakanto Wawa sy Luyanna. Tonga nanome voninahitra izany Filohan'ny Repoblikan'ny Madagasikara, ny filohan’ny loholona, ny mistrin’ny fitsarana sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta.
 
(135) Prud'Homme R. : 19-08-2016 - 09:04

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image