Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fanalo ny Anosy
  Sport Scolaire 2016
  Taorian’ny fahavitan’ny fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly tamin’ny isam-paritany dia niainga ny isaky ny DREN 22, nihazo ny faritra Anosy, Faradofay, nanaovana ny fifaninanana nasionaly. Niainga ny androny 13 aogositra ny ekipan’ny DREN Atsinanana ka ningadona tao Faradofay ny alarobia 17 aogositra, rehefa nihazo ny lalam-pirenena faha roa, nihazo any Fianarantsoa ary tao Ihosy no nianga ny diabe na caravane nitazozotra niakatra ny tampony Ihorombe narahany mptandro ny filaminana ny andro aman’alina ny dia natao tam’izany.
Toerana roa no nandraisana ny vahiny dia tao amin'ny Lycée technique sy Sacré coeur (masera). Ny alakamisy indray kosa dia noraisin’ny kominina Faradofay ireo delegasionina marobe. AKORY IZIO RAHO io nofiarabana natao, tam’izany no nanolorana ny hira fanevan’ny Sport Scolaire Fanalo Ny Anosy . Nanolotra omby vositra roa ny lehiben'ny Faritra Anosy, ary nanome vary folo kitapo ny ben'ny tananan'ny Faradofay, nanomboka ihany koa fitsidihana ny mpilalao sy ny kianja nilalaovana.
Ny asabotsy faha 18 aogositra no nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny Fanalo Ny Anosy , nanoloana ny lapan’ny tanana, izay notroin'ireo olom-boafidy tao anaty faritra, loholona ,solombavam-baohaka, ny ben'ny tanana isany avy, ireo talem-parirta isan-tokony, ny chef de service miankia sy tsy miankina amin'ny fanjakana ary ny avy amin’ny fitondrana fohibe, izay zaman-jaza sy Baban-jaza raha teo.
Fisaorana no natolotr'ireo nandray anjara fitenenana tamin’ny fikarakarana sy fanatontosana ny lalao fifaninanana ara-mpanatanjahantena an-tsekoly. Ny minisitra ny tanora sy ny fanatanjaha tena Atoa ANDRIAMOSAHARISOA Jean Anicet no nitsondrano ny mpilalao sy namaly avy hatrany ny fangatahana nataony lehibe'ny faritra Anosy amin'ny tokony anamboarana ny kianja ao Ampasimasay mba ho kianja arifomba izay efa ao anatiny tetimbola mpanjakana 2017 ny fanajariana any izany. Toy izao vokadalao ofisialy nampahafantarina tamin’ny lanonam-pamaranana, izay natao tao tamin'ny kianjan’ny Ampasimasay, ny alahady faha 28 aogositra 2016.
Raha tamin'ny filaharana isaraisam-paritra indray dia ny faritra Atsinanana no voalohany tamin'ny fazahoana ny amboara, nahazo amboara miisa 6; faha efatra tamin'ny medaly.

Voka-dalao – Faritra Atsinanana

Taranja Sokajy Amboara Isa
  Football Benjamin Médaille d'argent (Vice-Champion) Atsinanana 1 - 2 Boeny
  Volley ball - Médaille d'argent
  Basketball - Médaille de bronze  
 Azakazaka 200 metatra Filles Médaille de bronze (Mlle Fideline)
4 X 60 metatra Filles Médaille d'or
Garçons Médaille d'or
200 metatra mifampitohy Filles Médaille d'argent
 Tantara antsehatra (Mampihomehy) - Nahazo valohany
 Fikarakarana sakafo ara-pahasalamana - Nahazo faha roa
Nisongadina ihany koa ny teo amin'ny fisehoan an-tsehatra nanaovana ny vakodrazana betsimisaraka.
 
(137) VAVIROA Marcelline : 24-08-2016 - 11:09

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image