Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Lalam-pirenena faha roa
  Lozam-pifamoivoizana misesy matetika
  Nitrangana lozam-pamoivoizana indray teny amin’iny lalam-pirenena faha roa iny tamin’ny herinandron’ny 28 septambra 2016 ary saika nifanesy izany lozam-pamoivoizana izany.
Tsy fitandremana ve sa harerahana sa fihoaram-pefy ? ireo ny fanontaniana nipetraka nandritra ny lozam-pamoivoizana izay saika nampitohana tanteraka ny famoivoizana teny amin’iny lalam-pirenena faha roa iny nandritra ny herinandro nifanesy izay.
Saika ireo fiara vaventy avokoa moa na ny kamiao no niteraka an’izany fitohanana izany,raha iverenana ny zava-nisy ny Alakamisy 28 septambra tolakandro tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro raha araka ny fanazavan’ireo olona nanatry maso dia nohon’ny fitondrana entana mavesatra loatra dia tapaka « Châssis » ity kamiao ity ary dia tafajanona teo ampovoan-dalana ka niteraka fitohanana teo amin’ireo mpampiasa lalana izany,raha araka ny fanadihadiana izay nataonay teny an-toerana dia vokatry ny fitondrana zavatra mavesatra loatra no nahatonga ny fahatapahana satria dia entana milanja 30 taonina teo ho eo no nentin’ity kamiao lehibe ity, teo amin’ny 222 km tsy hidirana an’ny Toamasina moa no nitrangan’izany loza izany. Akoatra izay dia tsy lavitra teo izany hoe 4 km niala teo ary toerana antsoina hoe Ambatosonegaly dia mbola kamiao iray ihany koa nivadika ka hatramin’ny Asabotsy voalohan’ny volana oktobra dia mbola niteraka fitohanana teo amin’ireo fiara nifamevezivezy izany.
Ny andron’ny Atalata faha 4 oktobra kosa indray dia fihara HUNDAI iray nitondra mpandeha 7 no nivarina tao anaty antsana teo Ampasimadinika no nitrangan’ny loza tokony ho tamin’ny 5 ora sy fahefany maraina teo, tsy nisy ny aina nafohy ary tsy nisy ihany koa ny naratra,ra ny fanadihadiana nataonay teny an-toerana dia tsy nandeha mafy ity mpamily ity saingy tratry ny harerahana loatra na ny atao hoe « torimaso fotsy » antony nampivarina an-kady ny fiara izay nentiny,marihana moa fa fiara avy any Antsirabe ity nivadika ity.
 
(138) Lantomalala S : 30-09-2016 - 10:22

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image