Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Centre Vonjy
  Ivon-toerana fandraisana ankizy niharan’ny herisetra ara-nofo
  Ankizy iray amin’ny dimy no iaran’ny herisetra. Herisetra ara-batana, ara-tsaina ary ara-pananahana no matetika mitranga raha ny eto amin’ny faritra Atsinana. Raha eo amin’ny sehatry ny fanambadiana aloha loatra kosa dia ankizy 81 no noraisina antanana toy ny fanaraha-maso sy fanomezana fiofanana mifanaraka amin’ny tsirairay.
Io no nivohitra tamin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety izay nataon’ny lehiben’ny sampandraharahan’ny Mponina, ny fihariana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy Atoa Mahatody Emile sy Rtoa Manou, mpandridram-paritra ny ady amin’ny fanambadiana aloha loatra ato amin’ny faritra Atsinanana.
Arak’izany ambony io taha io manoloana ireo tranga fanosihosena ny zon’ny ankizy. Notokanana tamin’ny faha 26 septabra 2016 lasa teo ny Centre Vonjy ao amin’ny CHU hopitaly Ben’ny Toamasina izay andraisana ireo ankizy niharan’ny herisetra ara-pananahana. Saika efa ao anatin’ny Centre Vonjy avokoa ireo fikarakarana ho an’izany. Raha ny zava-misy teo aloha tokoa mantsy dia saika toerana maro andalovan’ny Ray amandReny manana ankizy niharan’ny herisetra izay isan’ny mahatonga ny Ray amandReny manatona manam-pahefana tompon’andraikitra; ankehitriny dia efa hita ao avokoa na ny mpitsabo, ny polisy izay mandray antanana ny olona nahavita ny heloka sy fanenjehana izany. Izao no vita dia ny fiarahamiasan’ny minisitry ny Mponina, ny fihariana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy izay tohananan’ny UNICEF. Fantatra ihany koa fa amin’ny maha reny mpihahy ny ankizy an’i Rtoa Vohangy RAJAONARIMAMPIANINA dia tonga nitokana izany niaraka tamin’ny Filohan’ny Repobilika Malagasy ihany koa ny tenany.
 
(139) Prud'Homme R. : 30-09-2016 - 09:20

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image