Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  JIRAMBATO
  Fanolorana milina 2 ho an’ny JIRAMA Toamasina IV
  Na misedra fahasahiranana aza ny ambatovy dia manohy hatrany ny fandraisana anjara eo amin’ny fampan-drosoana ara-tsosialy, dinga iray mankany amin’ny fifanarahana amin’ny fanomezan- tanana ihany koa ny nanomezana ireo milina mpamokatra herinaratra roa ho an’ny toby famokarana herinaratra ao Toamasina IV, tamin’ny fandalovany Filoham-pirenena Atoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA, ny faha 28 septambra 2016 lasa teo, teto Toamasina
Tafiditra ao anati-ny tetikasa JIRAMBATO ny fanomezana sy fampandehanana ny milina DEUTZ BV 16M-640 KHD miisa roa ho an’ny milina mpamokatra herinaratra izay ahafahana mamokatra herinaratra 12,6 MW sy fanarenana ireo Alternateurs mifandraika amin’izany. Manampy izany ihany koa ireo kojakoja samihafa ilaina tamin’ny fametrahana ireo fitaovana ireo.
Fantatra ihany koa tamin’ny lahateny nataony filoha mpitantanana an’ny Ambatovy Atoa TIM DOBSON, dia mitentina 5,5 tapitrisa dolara na 16,5 arivo tapitrisa ariary ny tetim-bidiny no namantsian’ny Ambatovy an’ity tetikasa JIRAMBATO ity, avy tamin’ny alalany tahiry ho an’ny fampan-drosoana ara tsosialy 25 tapitisa dolara tamin’ny taona 2012, amin’ny Faritra hiasan’ny Ambatovy.
Amin’ny alalany fiaraha-midinika eo amin’ireo manam-pahefana eto an-toerana sy ny goverinemanta Malagasy no hisafidanana ireo tetikasa izay tanterahana. Tetikasa 17 no efa voafaritra ka vantsiany Ambatovy, an’isany izany bazary be teto Toamasina, ny fiara mpamonjy voina, ny fanamboarana ny tsenan’ny Brickaville sy moramanga, ireo tetikasa maro ao anatiny faritra Atsinanana sy Alaotra Mangoro
 
(140) Prud'Homme R. : 30-09-2016 - 08:10

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image