Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Afaka mamokatra herinaratra 38 Megawatts ny JIRAMA Toamasina raha 25 Megawatts ny filana ilaina
  Afaka mamokatra herinaratra 38 Megawatts ny JIRAMA Toamasina raha 25 Megawatts ny filana eto an-tanana
  Manampy ny fitaovana izay efa nisy teo ampelan-tanan’ny JIRAMA ireo natolotry ny oronasa Ambatovy, amin’ny fotoana isian’ny delestage na fahatapatahan-jiro, mba mampitombo ny tanjaka ny angovo na ny herinaratra azo ampiasaina.
Efa nanana teo amin’ny 28 Megawatts ny JIRAMA ary niampy 10 Megawatts avy tamin’ny Ambatovy ka 38 Megawatts no fitambaran’ny hatanjaka ny angovo herinaratra ampiasaina eto antampo-tananan’ny Toamasina amin’ny izao raha 25 Megawatts no tena ilaina ento antanana. Manana ambiny 13 Megawatts amin’ny herinaratra ny JIRAMA Eto Toamasina, araka izany.
Fantatra tamin’ny valan-dresandresaka nifanaovana tamin’ny Tale iraisam-paritrin’ny JIRAMA Atoa VELOSON Leonard, tamin’ny fitokanana sy fanolorana ireo milina roa sy ny kojakoja niaraka taminy toy ny fanatsarana ny fotondrafitrasa, fandokona ny trano tao Tamatave lV Tanambao Verrerie.
Tsy misy atahorana ny fihodinan’ireo milina satria Fioul lourd no mampihodina azy eny fa na ny solika aza tsy misy atahorana ny famantsina eto antampo Tanana; fa ny any amin’ny secteur no misy fasahiranana indraidray misy foana anefa ny vaha olana amin’izany raha ny angovo azo avaozina kosa indray dia manana any Volobe ny etoToamasina na somary efa tranainy ihany izany tany tamin’ny taona 1931 tany hoany.
Misy ihany koa ny tetikasan’ny filoham-pirenena hamokatra hatramin’ny 90 Megawatts io central hydraulique VOLOBE Tamatave II io, ary mbola mitohy ihany koa ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny ENELEC.
Na dia eo aza ireo rehetra ireo misy ihany ny fahatapahan’ny herinaratra eto antapo-tanana nohon’ny antony arateknika sy ny marohafa izay tsy azo idifirana.
 
(141) Marcelline V : 04-10-2016 - 18:33

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image