Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  VOIX TELEN’EST
  8em de Final
  Notanterahana tanaty hefitra malalakin’ny Radio Voanio ny fifanintsanana voalohany tamin’ny fifaninanan-kira na Voix Talen’Est 1er édition ny zoma faha 9 sy ny sabotsy 10 desambra lasa teo. Nahitana mpandray anjara roampolo teo ho eo ka ny 16 tamin’izany no tafiakatra hiatrika ny dingana manaraka dia ny ampahefa-dalana izay ho tanterahana ao amin’ny restaurant Karaoké SARKIS ny asabotsy faha 17 desambra 2016 ho avy izao.

Samy mahay avokoa ny mpifaninana ato anatin’ity feo aman-talentan’ny tatsinanana ity satria dia saika nanano sarotra ho amin’ireo mpitsara ny fitsarana ny talenta izay hananan’izy ireo.
Telo mianadahy ny mpitsara nahitana an’i Nounousse, mpanakanto mpihira avy eto Toamasina, eo ihany koa i Rado ao anatin’ny mpikarakara ny hetsika Voix Talen’Est ary Lanto mpanentana sy mpamokatra fandaharana ato amin’ny Radio Voanio no sady Mpanakanto ihany koa.



Isaorany ny mpahonana :

 
(142) Lantomalala : 11-12-2016 - 08:35

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image