Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Antso ho an'ny tanora
  Misokatra hoan'ny tanora ny fanaovam-baksiny AstraZeneca
  Nosokafa misimisy kokoa ny fanaovam-baksiny amin'izao fotoana izao, fotoana vitsy mantsy dia hikatona izany fanaovam-baksiny izany. Nanao fanentana ary i Dokotera Zafiporaka Liliane tompon'andraikitra ny serasera eo anivon'ny fiadidim-pahasalamana Toamasina voalohany fa ho an'ireo tanora mivondrona anaty fikambanana dia afaka manao vaksiny ihany koa.

Raha ohatra ka tanora ianao mifanerasera amin'ny olona maro, izany hoe ao anatin'ny fikambanana manao asa sosialy an-tsitra-po, na amin'ny fikambanana maro tsy voatanisa dia tongava manao vaksiny amin'ireo toerana voatokana fanaovana izany fa vonona handray anao izahay. Nohamafisin'i Dokotera Liliane moa fa na manana aretina mitaiza toy ny diabeta, na tosi-drà, na soika ianao na tsia, dia tongava manano vaksiny fa tsy tokony atao ho sakana izany.
 
(215) S.Lantomalala : 26-05-2021 - 15:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image