Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Toerana fanasan-damba Anjoma
  Mitonon-tena ho tompony ny karana iray
  Mpanasa lamba miisa 30 no matahotra no ho very asa nohon'ny fibodoanan'ny terantany karana iray ny toerana fanasan-damba ao amin'ny fokontany Anjoma Toamasina. Efa ho 40 taona mahery moa no nisin'ity toerana fanasan-damba ity ary mamelona olona maro eo amin'ny asa fanasana lamba. Araka ny vaovao voaray dia teo amin'ny valo na folo taona teo no efa nanao izay ahazoana ity toerana ity io terantany karana io, ka isaky ny miova ny sefo fokontany eo an-toerana dia mihetsika izy mikitika manao ny hevitra rehetra ahazoany io toerana fanasan-damba io.

Tranga vao niseho tamin'ny 26 may 2021 lasa teo dia tonga teo an-toerana ny vadi-tany tsy naneho taratasy, fa avy hatrany dia nanala ireto mpanasa lamba ireto fa azon'ity terantany karana ity hono ity toerana fanasan-damba ity. Nilaza moa ity farany fa vao roa volana izay no nametahana borna teo amin'io toerana io. Araky ny fanazavan'izy ireo hatrany dia fangatahana fanomezan-dalana no niantomboan'ny fangatahan'izy ireo fa nohon'ny taty afara dia nilaza izy fa izy no tompon'ity toerana misy fanasan-damba ity.

Amin'izao fotoana izao anefa dia very hevitra ireto mpanasa lamba ireto ka manao antso avo amin'ny tompon'andraikitra ambony isan-tsokajiny manoloana ny tsy rariny izay mianjady mivantana amin'izy ireo satria dia miaina ao anatin'ny fitaintainana ireo vahoaka madinika sao ho very asa.
 
(219) S.Lantomalala : 28-05-2021 - 10:30

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image