Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  SALON DE LA CREATIVITE VOATRA
  Trano heva miisa 110 no nandray anjara
  Natao teto Toamasina ny andihany faha 2 ny Salon de la creativite voatra izay nandraisan’ny faritra Analanjorofo sy ny faritra Atsinanana ary faritra Analamanga, teo nanoloana ny lapan’ny tanana Toamasina, ny alakamisy 21 aogositra. Ny fandaharan’asa PROSPERE no tompon’antoka tamin’ny fikarakarana izy ity. Araka ny fantatra dia nandrintra ny 3 andro ny hetsika izay hanaovan’ireo mpanao ny asa tanana. Isany antony nanaovana izao hetsika izao mba hanetsiketsehana ny mpanao asa tanana aty amin’ny faritra Atsinanana sy ny faritra Analanjorofo.
Fantatra ihany koa fa nanomboka tamin’ity taona ity vao tonga taty amin’ny faritra ny tetik’asa .Ny vokatra andrasana kosa dia ny mba hampiroborobo ny asa tanana aty amin’ny faritra sy hanatsara ny fidiram-bola miditra amin’izy ireo, io no nambaran’i Atoa william RANDRIAMAMPIANINA, mpandrindra iraisam-paritra ny fandaharan’asa PROSPERE.
Fantatra tamin’ny fanadihadiana izay natao fa mahatratra 2 000 000 ny isan’ny mpanao asa tanana eto madagasikara ary mampiditra 13 % ao amin’ny harikarena eto amintsika.

 
(73) Prud′Homme RAKOTOSON : 20-08-2014 - 18:30

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image